<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>S.B. Marsh</author>
<title>Zanahariko Tsitoha FFPM483</title>
<lyrics>[V1]
 Zanahariko Tsitoha
 Tompo, Hery sy Fitia,
 Ray hatramin'ny taloha,
 Ahy anio, ka ho doria.
 Manjakà mandrakizay
 Ao am-poko, Tompo soa ;
 Dera, laza, Anao ry Ray !
 Zanaka, Fanahy koa.

[V2]
 Ny finoakao Anao,
 Hatanjaho mba hamoa
 Hiasako ny asanao,
 Hamafazako ny voa.
 Aoka ny Fanahinao
 Jiro mba hitarika ahy
 Ka apetrako aminao
 Na ny tena na fanahy.

[V3]
 Antenaiko, Hianao, Jeso
 Izay Mpitsara lehibe
 Hanamarina ahy ao,
 Na mpanota aza re.
 Dia hiezaka aho etý
 Mba hanao izay mendrika
 Hamindrànao fo arý
 Fa voavela heloka.

[V4]
 Ray ô, ny fitiavanao
 Afindrao ho toetrako,
 Mba hitiavako Anao,
 Ary koa ny namako.
 Ho mpanompo aho re !
 Ho mpitory koa Anao !
 Mba hanjaka an-tany e,
 Tompo, ny fitiavanao.</lyrics>
<hymn_number>483</hymn_number>
</song>